<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ho vavolombelonao FFPM427</title>
<lyrics>[V1]
 Ho vavolombelonao
 N'aiza n'aiza no aleha
 Izay no faniriana vao
 Sy ataoko rehareha,
 Ka raha asa no atao
 Inty tokoa fa vonona
 ( ho vonona aho )
 Tsy hiala na handao,
 Tompo ô, iraho aho !

[V2]
 Ho vavolombelonao
 Eran-tany raha ilaina
 Toy ny loharano vao
 Izay mamelombelona aina
 Hanasoa ny tany hay
 Efa mihamaina taho
 ( mihamaina )
 Tompo ô, inty indray
 Alefaso, vonona Aho.

[V3]
 Ho vavolombelonao
 Ao anaty fitsapana,
 Ka hijoro ho Anao,
 Na fefena, na rarana,
 Tsy hiahotra ny dia :
 Fa Hianao naniraka Ahy
 ( naniraka Ahy )
 Tsy hiahotra aho satria
 Amiko Hianao Mpitahy.</lyrics>
<hymn_number>427</hymn_number>
<author>D. Rakotoarivony</author>
</song>